Fiche Personne
Réalisateur/trice Acteur/trice Producteur/trice Scénariste Directeur/trice de casting

Tiana Rafidy

Madagascar

Français

Femme de tête, femme de coeur…

Malgache et Tananarivienne de naissance, Tiana Rafidy n’a cesser d’impressionner par sa fougue et son élégance. Imprégnée dès son jeune âge dans les mondanités de la capitale elle a su tirer de ses expériences une capacité à distinguer le bon goût du mauvais.

Sa carrière d’artiste a débuté avec la danse, qu’elle pratique dans un premier temps en tant qu’activité parascolaire mais qui devient rapidement une passion. Elle fera de cette passion une de ses premières armes dans le monde du spectacle.

Elle enchaine, spectacle sur spectacle, elle se produit dans la plupart des évènements d’envergure de la Capitale et elle a rapidement été sollicité pour tourner dans des clips de musiciens renommés et comme modèle pour des défilés ou des photos publicitaire.

Elle poursuit par l’organisation de ces propres spectacles avec une troupe de danseuses et danseurs professionnels qu’elle entraine et produit.

D’organisatrice d’événement ou elle dessine les costumes et assure la mise en scène, elle devient actrice d’une télé-série durant 4 ans, puis, actrice de long métrage, animatrice de télé, fondatrice et gérante d’une société de communication, (agence Lolita sarl), artiste peintre et réalisatrice de film.

Au cours de ces années mouvementés, elle prend le temps d’améliorer son jeu d’actrice en suivant des cours de perfectionnement en France et au Canada

Très dynamique et enthousiaste, Tiana est une artiste accomplie qui ne cesse de surprendre. Ses nombreux talents et sa polyvalence lui ont permis d’accomplir un parcours artistique impressionnant dans des conditions pas toujours facile.

English

Woman Of Heart & Mind


Madagascan and Tananarivian by birth, Tiana Rafidy has continuously been impressive with her ardour and elegance. Immersed at a young age in the capital’s society life, she was able to draw a capacity to distinguish between good and bad taste from these experiences.

Her career as an artist began with dancing, which she initially practiced as an extra-curricular activity, but which quickly became a passion. She then transformed this passion into one of her first assets in the entertainment world.

She performed, show after show, and in most of the Capital’s main events, and was quickly requested to appear in clips of famous musicians and as a model for fashion shows or for publicity shoots.

She goes on to organize her own shows, with a troupe of professional dancers that she trains and produces.

From an organizer of events for which she deigns costumes and handles staging, she becomes an actor in a TV-series for 4 years, then, a feature film actor, TV show host, founder and manager of a communications company, (the Lolita sarl agency), a painter and film director.

During these eventful years, she takes time to improve her acting skills by taking advanced courses in France and Canada.

Very dynamic and enthusiastic, Tiana is an accomplished artist who continuously surprises. Her many talents and her versatility enabled her to follow an impressive artistic path, sometimes under difficult conditions.

___________

MALGACHE
Ny fiainan’ny mpanakanto sady mpanatontosa


Malagasy izy ary avy eto Antananarivo. Tsy nitsahatra nampitolagaga ny maro i Tiana Rafidy tamin’ny risi-pony sy ny fisehoany kanto. Mbola vao tanora tokoa izy dia efa niaina teo amin’ny tontolon’ny fomba fiaina eo amin’ny saranga avo teto an-drenivohitra. Nahay nanararaotra ny zava-niainany tamin’izany izy izay nahazoany fahaiza-manavaka ny tsara amin’ny ratsy.

Niandoha tamin’ny dihy ny asany amin’ny maha mpanakanto azy. Nirotsaka tamin’ny dihy izy izay tamin’ny voalohany dia toy ny zava-panao ho famenoana ny fanabeazana fotsiny. Vetivety foana anefa dia tafiditra lalim-paka tao anatiny ny fitiavana ny dihy.

Io fitiavana lalim-paka ny dihy io no fitaovana nentiny niady voalohany teo amin’ny tontolon’ny fampisehoana.
Tsy nitsahatra nanao fampisehoana izy ; niaka-tsehatra hatrany tamin’ny ankabeazan’ireo lalonan-dehibe teto an-drenivohitra ary vetivety foana dia voaasa tsy tapaka mba handravaka « horonan-tsary doka » (clips) ho an’ireo mpahay mozika kalaza, na ho « mpiranty fakan-tahaka » (modèle) amin’ireny « matson’ny haingo » ireny na amin’ireny sary dokam-barotra ireny.

Notohizany ny asany tamin’ny fandrindrana ireo fampisehoana manokana nataony niaraka tamin’ny tarika mpandihy lahy sy vavy matihanina izay izy ihany no nampiofana sy nampiaka-tsehatra azy.
Niainga avy teo amin’ny maha mpamokatra lanonana azy, izay izy ihany no manao ny sarin’ny fitafiana, izy ihany koa no manatontosa ny fisehoana an-tsehatra, dia lasa mpilalao sarimihetsika tamin’ny tantara mitohy amin’ny fahitalavitra izy nandritra ny 4 taona, avy eo mpilalao tamin’ny horonan-tsary lava, mpanentana teo amin’ny fahitalavitra, mpanorina sady mpitantana orinasa misahana serasera (agence Lolita), mpanakanto mpanao hoso-doko ary mpanatontosa horonan-tsarimihetsika.

Tao anatin’izany taona maro tsy nisy fihatoana izany dia nitady fotoana izy hanarahana fiofanana tany France sy Canada mba hanatsarany ny maha mpilalao sarimihetsika azy.

Tia miasa ary be zotom-po, i Tiana dia tena mpanakanto feno ary mbola mampitolagaga hatrany. Ireo talenta sy fahaizana zavatra maro tao aminy dia nahafahany nanao dia lavitra nahazendana teo amin’ny tontolon’ny kanto. Tsy mora anefa ny toe-javatra niainany tamin’izany.